dimanche 27 avril 2014

TORO - HAY HANOLANANA VOLO TSOTRA

Mba tena anisan'ny fahafinaretana ho ahy ny mikitikitika sy manovanova io voloko io hatry ny fony fahakely, tsotra loatra ity izy, diso tsotra loatra ka zary mankaleo. Tadidiko i Neny taloha, nisahirana mafy, nanositra voasary makirana, labiera, ary mananasy ny voloko fa satria nahonena hono ny nijery ahy mba te ho holioly volo toy ny saribakoly filalaoko, fa lehibe ihany aho ity, mbola tsotra foana Ravolo.
Nandeha teny foana ihany anefa ny fiainana. Nandramana nohangitaina ity volo, tamin'ny fomba maro samihafa. Ny vola foana no lany, izy tsy nety niova. Fa izaho koa mikiry hatrany, tsy maintsy hohitako ny hevitra indray andro any. 
Fiteny fahizay manko ny hoe: "ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolankolana", fa ankehitriny nohon'ny fivoarana, ny tarehy ratsy aza afaka asiana manjamaso dia efa tsara ery, fa maika moa ve fa vita tsara bango ny volo? Aoka re! Dia ho zazavavin-drano mandehandeha. Mba nofinofy ny ho tsara e, ka aleo aloha hikarakara. Ary ianareo mba nisy faniriana toa ahy koa ve? Sa efa natoraly ny volo tsara tarehy?


Dia indro fa hitako ihany ny lakile, hanolanana ny volo diso tsotra be, sady tsy sarotra no tsy lafo, koa dia hozaraina ho an'ireo izay mba te hiova toa ahy.



Andao ary e! Andeha ho atoro eto ny fomba rehetra. Ny dingana natao mba ho volo holioly no fetra.

Tsy dia mila fitaovana maro be vao mahavita manolana volo. Ho gaga ve ianareo raha ilazako oe karazan-javatra roa dia ampy? Fitaovaona voalohany indrindra ilaina ity : "Curl Contour" an'i "L'OREAL" ity, ny zavatra ilaina faharoa dia : "pinces plates / U".


Rehefa vonona ny fitaovana dia zarao ho toko 2 (toko havia sy toko havanana) ny volo (marihina fa volo maina no hiasana). Afatotra aloha ny antsasany tsy ho ampiasaina, dia raisina amin'ny tanana ny ampahany ho aolana, atsifitra amin'ny volo ho aolana ny tsiranoka ao anatin'ilay Curl Contour mba handray tsara ny volo. Rehefa vita izay dia maka tokom-bolo kely aolana moramora amin'ny tanana hatrany amin'ny foto-bolo, asiana Pinces mba tsy hampietsika azy amin'ny hodi-doha. Dia atao toy izay daholo. Rehefa vita ny toko ankavanana (io no mahazatra ahy ny manomboka azy) dia atao toy ireo fepetra narahina teo ireo ny toko ankavia.



Avela hilona mandritra ny ora maromaro amin'io izy naolana ka naraikitra amin'ny hodi-doha io ny volo, ny ahy aloha raha andeha fety rahampitso, na te ho manja tsotr'izao fotsiny, dia ny alina aho no mikarakara, ny maraina no vahana ny tokotoko lasa dokodoko :)

Rehefa vita izay fotoana nangalana aina, vahana moramora ny tokotoko avy. Jereo anie! moa va tsy niova be? 


Dia ho toy izao ny voloko anio tontolo, mba tsy hitsotra indray aloha fa mba hiova kely! Dia ho jefijefy anie izato ramatoa, mba sambany mitana ela ny voloko amin'ny fampiasana io tetikady iray io. 

 

Mba andramo ka lazao, nanao ahoana ny vokany tao.
Raha mahasoa ny torohevitro, mba zarao ity lahatsoratro mba ahasoa ny hafa koa, ireo izay mety efa vaky loha. Mba hitsiky amin'izay fa nahita tetikady tena izy ilay!

samedi 26 avril 2014

TSIARO HO AN'I RALOLABE



                                          Affichage de photo 1.JPG en cours...


#Marie Roland Ralolabe Razafimahefa, raha mpanoratra aho dia inoako fa nahavita tononkalo ho fahatsiarovana anao, ho mariky ny fahalasananao izao anio izao. Saingy indrisy, olontsotra aho ka tsy nahavita na dia andalana tokana ihany. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy haiko ny hangiana, ka aleoko mirediredy eto ihany, eto aminin'ity tontoloko, hizarako ny tolokoko.Manjombona ny lanitro, fa nihena iray indray ny mpanakanto namako akaiky, fa lasa nody mandry ianao namana tsy mahafoy ....

Misavasava ny tahiry aho, fa tsy mba manana na dia sary iray aza niarahantsika. Indrisy... Lesoka tsy hita hoharenina. Soa ihany anefa, mbola voatahiry ato ampoko ireny sangisangy (.."tanàna ve...?"...) sy ireo mozika tsy voatanisa ahatsiarovako anao. Gina aho izany, mbola tsy mety mino ihany... Nahoana loatra lahy..

Mirediredy toy ny very saina eto aho, mijery ireto sarinao, tsy mampino tsotr'izao ;(

Hany hery, mivavaka mangiana, i Kristy anie hitsena anao ry #Ralolabe, hianoka mozika miaraka amin'ireo Anjely anie ianao. Mandria ampiadanana ry sakaiza. Tsy hanadino anao izahay.

Mirary fiononana feno ho an'i Ramatoa Isabelle sy ireo taranak'i #Ralolabe ary ny fianakaviany manontolo.

Ny vatany no lasa, ireo hira sy mozika rehetra nosoratany mbola hokaloina hatrany hatrany... Tsy ho faty mandrakizay ianao.

                          Affichage de photo 2.PNG en cours...

mercredi 23 avril 2014

SAKAFO MALAGASY

Malagasy aho, tiako ny teniko, betsaka ny zava-tsoa tsy ahafoizako ny taniko fa indrindra mamiko loatra ny sakafo malagasy! N'aiza n'aiza misy ahy, mbola hafa foana, mbola tsy mena mitaha amin'ny hafa ny vokatry ny taniko. Akory ny hafaliana rehefa indro misy vahiny tonga mian-trano ka mitondra voandalana: sakafo malagasy, ny kabaro, tsaramaso, sakay, ny angivy sy ny anana isan-karazany. Fa mba tena miavaka loatra hoy aho ny ravitoto, tena tsy manam-paharoa, ilay nototoina tanana, tamin'ny laona sy fanoto. Lazaiko fa tsy manan-tsahala.

Manina anao ry gasikara, vao maika mifikitra an-doha, manin-te hody aho nefa tsy afaka manoatra ihany koa. Vetsovetso no alefa eto ampitanehan'ito vokatry ny tany fa vetivety dia hisinda izany alahelo izany. 

Efa akaiky ny fotoana, indro hisonanika anatin'ny mamy, oran'ny sakafo ;)


Saingy indrisy hoy aho, hifonaka eto fa efa naka fahazarana kely, nolovaina avy amin'ireto mpanjanaka taloha, mba haroso aloha ny fanokafam-bavony hampangitangitaka ny anaty rehetra, lasary karaoty izao no misy, hifaliana aloha izay an-tanana



Fa fotoana fohy monja no lany tamin'iny haitraitra iny, ndeha hiditra lalina amin'ny tena fototry ny hery, ny ravitoto sy henakisoa, marina raha mba misy hitraka eto aloha. Mbola hanampy, mbola hasiana laoka ravitoto fanindroa ihany koa.



Rehefa voky tsara, sento tokana ihany, any ianao izay ry Gasikara, matsiro loatra any izany sakafo izany. Aleo ary ho faranana ny fety, mba hoasiana kaoatry vetivety :) Mba atao tapany anie azafady e! Dia mba ataovy be ronono :)



mardi 22 avril 2014

HAINGON-TRANO


Manakory e :)

Indray andro aho nitsangatsangana toy ny mahazatra, toy ny fanaon'ny olona rehetra rehefa miala sasatra iny ny alahady, mba mandehandeha kely maka rivotra hono izany, tamin' izay tany anaty ala no naleha, dia namelatra lamba mba hitsotra sy hankafy ny voary. Fa tena saika resin-tory ihany, efa rendremana mihitsy aza moa e! dia tonga saina dia nitsangana e! Nijery manodidina dia gaga teo, hay tsara be ny bozaka maina, zany tokoa? Eny... lasa ary izao, toy ny zazakely, nanapatapaka bozaka fa tsy maintsy entiko mody ireo androany...

                                                

Nanomboka teo, isaky ny mivoaka ny trano haka rivotra dia lasa fahazarana ity manapatapaka zavamaniry eny amoron-dalana ity. Tsikitsiky lalandava no mameno ny tontolo vao mahita an'ireo " voninkazo dia" ato an-trano, sady manitra anie izany no mahafinaritra ery jerena

Teny fampidirana


Tonga soa eto amin'ny tontolon'i IkalaFanja, hizarako ny fahitako ny fiainana, ho feno tsiky ny lalantsika, ireo lesoky ny lasa nanovozako ny soa no andeha ho tantaraiko ndrao hisy tombony ho anao koa.

Welcome to my blog IkalaFanja's Land, I want to share with you guys my view of this life and how i face to it with all of hapiness and so much smile