jeudi 28 août 2014

Cookies

Tonga ihany ity ny fialantsasatra, fotoana ankafizin'ny olombelona rehetra eto an-tany angamba izy ity. Fa ho antsika Malagasy manokana dia manamarika  ilay fotoana mamy iarahana amin'ny zanaka ito fotoana ito. Koa dia mirary hafaliana be dia be ny ho an'ny tokatranontsika Malagasy tsy vaky volo IkalaFanja.

Mba ho anjara biriky kely entiko ho an'ireo Reny rehetra izay mikarakara sakafo maraina ho an'ny zanany, na koa oe ody ambava fo rehefa tolaka iny ny andro, dia ito misy torohevitra kely fanamboarana mofo arosoko ho anareo. Sady tadidio fa fotoana afaka ifampizarana amin'ny ankizy koa ny manamboatra azy. Mba tretrika ery ny kilonga amin'izay mandray anjara.

Ireto ary ny lisitry ny zavatra ilaintsika:
  • atody 03
  • siramamy 01 vera
  • menaka 01 vera
  • lalovaitra 1 
  • lafarinina 600g
Marihiko mandrakariva fa ny zavatra ilaina eto dia ezahiko mba ho mora raisina sy mora hita (accessible) ao an-trano.

Ny fanamboarana azy indray? 

Maka vilia jobo, vakiana ny atody arotsaka ao anatin'io vilia io, rehefa izay dia arotsaka ihany koa ny siramamy rehetra, kapohina mba ho levona tsara ny siramamy.

Hafanaina mandritra ny 10mn ny lafaoro ka atao mari-pàna 180°C

Rehefa levona ny siramamy, dia alaina ny lafarinina ka afangaro amin'ny lalovaitra, arotsaka tsikelikely anatin'ilay vilia jobo efa misy ny atody voakapoka ka afangaro moramora, ampifanelanelanina ny fandrotsahana ny menaka sy ny lafarinina mandrapitambatra azy rehetra. 

Rehefa mifangaro tsara dia asiana vovoka lavanila (afaka nafangaro mialoha ihany koa raha izay no mahazatra anao).

Ankehitriny nahazo paty mitambongana isika, koa andeha hovolavolaina ho atao mofo kely be dia be. Hosory menaka ny tananao mba halama tsara, volavolao araka izay endrika mahafinaritra anao ny mofokely (aza atao matevina loatra sao tsy masaka). Alaharo ambony lasitra efa misy taratasy mba tsy hampiraikitra azy (papier cuisson),raha tsy manana ilay taratasy ianao dia hosory menaka manify ny lasitra.

Andrahoina mandritra ny 15mn, hafanàna 180°C

Dia mazotoa homana daholo isika mianakavy e! Sakafo natao hifalian'ny kilonga io ka aza gaga ianareo hoe misy siramamy be sy menaka be, ny ankizy be herim-batàna ary mihetsiketsika be mandritra ny tontolo andro ka tsy atahorana hatavy. Isika renimpianakaviana kosa aleo mitandrina ihany na dia matsiro aza ny ambony latabatra.

Ito ny rohy momba ny horonantsary, mandram-pilamin'ny ara-tekinika :)


2 commentaires: