mercredi 9 juillet 2014

Depression ;(

Misy teny tsy haiko dika ity "depression" ity. Taiza ho aiza no mba nahenoako an'izany teny izany? Mba aiza no ahitàna io dikan-teny io? Misy mahalala?


´Ndeha aho hanandrana hamaritra:

Tena misitery be ihany. Tsy te handalina aho akory, mety ho hevi-diso ny ahy, enga anie fa manorisory, raha mikarokaraka rohy ve tsy ahalala ny tena marina e! Fa tsy misy nenina aho akory, soa ihany aho tsy nahalala hatramin'izay ny famaritana ity teny "depression" ity, fa mafaitra sy mangidy ny hevitra ahalalako sy handikako azy. Toa teniteny foana tsy misy anaty voambolako hatrizay, saingy indrisy, nantsoiko ho "depression" izay manjö ahy rehefa kivy, maloka sy tsy misy tsiky ny androm-piainako! 

"Je déprime". Andrekaky ô! Andreneny ô! Hitako taiza moa izany? Fa dia iainana matetika izy aty an-tanin'olona aty. Rehefa ririna iny, na toy izao anio izao koa e! Maloka be tsy misy toa azy ny andro, manerik'erika zary arahina fanàla.... Fa io rahona io aza matevina tsy nahy... Mainty, maizina ny tontolo... Mandratra ny fanahy :(


Inona no atao rehefa te-hiala amin'ny "depression"?

Misy fika be dia be, fanafody no ampiasain'ireto vahiny efa mahitahita. Misy boky koa vakiana dia misinda ny aretina. Fa ho an'izay mpanao ady gasy, aleo mitady paika hanariana dia, hampisy tsirony ny fiainana sy hanalefaka ny adin-tsaina. Ho ahy aloha manoratra eto amin'ity sehatro ity dia efa tena azo be ny aina. Arahina mozika hoy ny ankizy izay (hihomehy kely izy izao),  tena ao tsara, tena izy 'lay (y)

Enjana ihany ny miala amin'io toe-tena "déprimée" io fa mba nandramako dia mba tena mandaitra ihany koa aloha ny kaoatry e! Izaho izao mahazo fÿ ery ato! Zaraiko aminareo, izay haingitraingitra eto ange! Hmmm tena matsiro be! 




Ankoatran'ny sakafo, miala voly koa, mba andramo fa mandaitra loatra. Ho an'ny maro anisa izao hafa kely an! Etsy ange mba jereo: Malaza izao ny baolina kitra  dia any no mampandry adrisa, mampiresaka mpandalo, manaka-dresaka amin'ny mpiray fiaran-dalambe, na eny anjari-daina sy eny rehetra eny, vao oe kitra dia efa tsy tàna fa injao samy manan-kolazaina. Ndriiiii mandaitra daholo rehefa mahafalifaly e! Na resy aza Brésil mbola misy foana ny favo sa ahoana? "Anti-depression" goavana io fialam-boly io zareo! Indrisy aho tsy mba mpankafy! Tsy mandaitra amiko akory ny mijery fahitalavitra raha te hanary dia.


Tsipy teny kely no hamintinako azy

Mba iriko loatra izay rehetra tsy mbola mahalala an'ity "depression" ity, aza mikaroka akory. Tsy mahasoa! Halaviro! Andosiro toy ny areti-mandoza. Aleo tsy hisy handika teny fa tsy mahasoa taranaka akory ilay heviny. Toy ny teny ratsy izy ito amiko, aleo ezahiko fafàna anaty voambolako... Dia mba tsy hiteny intsony aho oe "inay any aho tsy nahalala anao, inay any aho tsy mba niaina toy izao".


Mba ho tsara foana ny fiafarana dia aleo asiana tanjona goavana

"Je ne deprimerai plus". Izay izao no mba fikasako, dingana mavesatra tsy maintsy hosedraiko. Andramana aloha ny kaoatry sy ny mofomamy, dia hitohy ny andro, hamitsaka kely dia hariva eo ihany. Rehefa tonga ny alina, hanantena andro mirana, hanantena ny ampitso hampody saina miramirana


Tsarà andro avokoa isika Malagasy rehetra é

2 commentaires:

  1. Tena tonga soa aho tonga teto androany ry Ikala a! nji t@ juillet 2014, zaho kosa février 2015. Inoako ho lasan'iny ny andry! nisalasala aho hizara ny "dépression"ko ( raha zay no azo ilàzana azy ) ao amin'ny blog fa ho zaraiko, après tout c'est mon blog. :( ...

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tonga soa sa nasesiky ny fahoriana indry tonga teto? Ratsy aky ilay saina e! Malemy be taraina. Iriko aky mba hevi-diso izao rehetra izao, rediredîn'adala sendra nandalo niserana

      Supprimer