lundi 28 juillet 2014

MITAIZA VATANA

Hehy no anombohako an'ity lahatsoratra anio ity! Tsy izany fa malaza be ilay oe: "nohon'ny fangatahanareo dia ity...". Ka tena marina manko fa nohon'ny fangatahan'ireo namako sasantsasany no tena nahatapaka ny hevitro handrakitra an-tsoratra anio ny dingana rehetra narahiko ka nahatoy izao ny bikako. Dia saika atomboko tamin'io fehezan-teny io vao tonga saina be aho oe " je suis tellement clichée". 

Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa 'ndao hiresaka e!

Tsy sendrasendra mihitsy, na oe nolalovan'aretina, na koa oe mafy loatra ny krizy, dia nihena izay tsy izy :D fa tena mba nanao ezaka mafy, mba nitaiza vatana fa efa tonga ny fotoana e! Ny taona efa mandroso rahateo dia aleo mihetsika ry zareo a! 

Ny tena fototry ny zavatra rehetra, na te ho tsara bika na te ho salama ihany koa dia ny rano no loharano mahasoa indrindra. Misotro rano be dia be, fa mahasoa ny hoditra, ny any anaty rehetra ihany koa. Raha tsy te ho ngeza moa, tsy te hisy jabora dia ajanona hatreo ny ranom-boankazo vidiana eny an-tsena. Afaka manamboatra ranom-boankazo ao an-trano fa tsy asiana siramamy. Tsy manararaotra be fa vera iray dia mba mionona e! Na koa mba te hiova dia misotro dité, ny ravi-maintso any an-tanàna be dia be.

Fanampiny ihany koa, mila matory ara-dalàna. Mba tsy ho vizana ny vatana ka hitaky sakafo be higagàna. Misakafo antonony in-telo isan'andro. Ny siramamy soloina "édulcorant", ny menaka amin'ny sakafo ahena ho 1 sotro isan'andro. 

Izay ny ahy ny atao hoe sakafo ara-pahasalamana, efa fiainako isan'andro anefa ka tsy mampaninona! Tsy miafy sakafo aho fa tsy mirobaroba.

Faramparany kadoa: manao fanatanjahantena kely ihany koa! Izaho nanomboka niazakazaka erintaona lasa izay, nangidy ange izany e! 10mn no natao dia efa saika niantsoana mpamonjy voina. Fa isika tsy mba naman'izay mora kivy izany. Notohizana ny herin-tsaina dia nanaraka oazy teny ny herim-batana! Tsy ho lasa atleta aloha na rahoviana fa efa mba tretrika kosa rehefa tonga tamin'ny tanjona niriana.

Toy izao ny ahy isan-kerinandro, miainga na dia malaina. Handeha hiazakazaka.



Rehefa avy any dia vizana be! Nefa ezaka kely iny dia jereo nge ity hatsembohako. Tena valaka be.



Fa mahafinaritra kosa mijery an'ilay sori-dàlana vita.



Ankoatr'izany rehetra izany, rehefa mba te hanakaiky ny lafatra sy tsy te ho be kibo dia mba manao abdominaux kely, ny ahy 5 minitra matetika no naha toy izao ahy.
Fitaovana mora ampiasaina:
-1- fahazotoana
-2- karipetra
-3- akanjo tsy maneritery
-4- famantaran'ora (hanajàna ilay 5mn)




Dia manainga anareo koa! Ndao hitaiza vatana avokoa!!!

2 commentaires:

  1. Tena mba andeha itaiza vatana koa akia za fa otran ilaozan'ny taona eto ! Merci aminy le fanampi-panazavana akia.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Eny aky koa! Ataovy mihitsy! Izaho zao androany nisy niteny hoe "t'es comme une collegienne!!! " tsy ho faly ahoana ny anti-bavy otranah refa misy miteny anzany na sinceres izy na hypocrite!! Faly foana klo

      Supprimer