jeudi 28 août 2014

MANGAHAZO

Vaovao natao hampitahotra ve ny tranga anio tao Antananarivo? Ny andiam-balala nanafika ny Renivohitra? 

Asa fa rehefa misy zavatra mitranga eo amin'io Renivohitra io dia toy ny hoe i Madagasikara iray manontolo no marary, nefa efa oviana moa no nisy ny andiam-balala tany amin'ny faritra hafa? Izay tsy nety voafongotra na dia maro aza ny tetik'asa sy fanampiana avy amin'ny firenena matanjaka. Tadidiko fa efa taona maromaro lasa izay, efa teo Antsirabe anie ny adiam-balala. Koa ankehitriny atao mahagaga ve hoe avy aiza ireto bibikely be dia be? Rehefa tsy maty avokoa ireo andiam-balala tany amin'ny faritra hafa dia indro manenika an'i Madagasikara. Fa dia inoana sy antenaina moa fa hampitombo ny tetik'ady ny mpitondra fanjakana isan'ambaratongany amin'izao tranga izao satria manitikitika ny Renivohitra izay iorenan'ny antenimiera sy ny parlemanta ary ireo vondrona mpanao politika rehetra.

Gaga izao ianareo hoe nanomboka oviana koa aho no manao lahatsoratra izay tranga miseho any an-tanàna e? Tsy izany fa resaka malaza ka mba aleo koa isika mba handrakitra ho tantara ny zavatra miseho, mba ho tsarotsaroana é, dia izay fotsiny :)

Sady tsy izany fa tiako zaraina mafy aminareo koa ity mangahazo nandrahoiko ity, ny fomba nanaovako azy dia nahandro tsotra be toy ny any ambanivohitra:

Maka mangahazo 1kilao, voasana, avy eo sasàna hadio tsara, tetehina majinika, dia arotsaka anaty vilany, asiana rano be, avela hiketrika mandritra ny ora iray dia izay. Vonona ny sakafontsika.

Asiana ronono kely sy siramamy ho an'ireo afaka mividy.



Ary ianareo? Atao ahoana ny fikarakarana mangahazo? Mba zarao eo ambany lahatsoratra é.
 

4 commentaires:

  1. Hahhaha, vo taminy samedi teo za nahandro kajaha,sambako mba nahita kajaha taty tamin mpivarotra sinoa zay ,fa saingy tsisy kajaha fresh zany fa dia efa vita hofy dia anaty parquet zay, sady congeler zareo lay izy ary aminy mpivarotra sinoa ihany misy azy,ary maro tsy mahalala fisianio.Fa mba bonaka ihany sady mba ao ihany tsirony e!

    Fandrahoko ny ahy kia asiko rano, de afaka 15 mn de masaka,rarahako siramamy, vonoko ny afony, avelako eo 5 mn de aroso aminy zay,mazava hoazy izaho irery no mihinana fa ny akotrizay nanontany oe "Ina io? Tsara ve?

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tena mba mora masaka isany mangahazonareo izany aky! Misaotra nampahalala fa izay aho vao naheno an'io voambolana "kajaha" manankarena voambolana ho azy eto aho raha mitohitohy izao fa mankasitraka e!

      Supprimer
  2. ny ahy indray ariako ny ranony rehefa mangotraka voalohany fa hoe maha décalcifié hono. Asa izay fahamarinany fa dia lasa fahazarana ny manary rano :) fa tsara e ela ao izay tsy nihinana

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. (Ary ohatran'ny efa namaly teto aho dia tsy hitako hoe nankaiza)
      Izahay koa aky mpanao an'izany taloha, mangahazo ariana rano izay.

      Supprimer