mardi 14 octobre 2014

Sakafo TSOTRA azo aroso ny VAHINY

Miarahaba ny mpamaky sy mpanaraka hatrany Ny tontoloko :)

Efa manimbolo ny andro fety fa indro efa manantona moramora ny volana novambra. Na dia misavorovoro kely aza ny "politika eto amintsika" dia tsy ahasakana antsika tsy hisakafo sy hankafy ny fiainana an-davan'andro izany, aleo zareo samy lehibe hifanasa vangy any.

Ho arosoko anareo anio ary sakafo fidirana, sakafo "résistance" ary ho faranana amin'ny tsindrin-tsakafo izy amin'ny farany. 

Toy ny efa mahazatra, ho feno sary eto araka izay vitako sy kely mba haiko (tsy ampy traikefa).

Sakafo fidirana :

Lasary "cocombre" miaraka amin'ny saosy "yaourt"

 concombre en fleur
Ny fomba nanaovana azy:
  1. maka "concombre" 1 dia sasana tsara amin'ny savony, dia mampiasa antsy maranitra ka didina manodidina ny "concombre" atao lavalava mba ahafahana mamolavola azy ho voninkazo avy eo (izaho nampiasa fitaovana manokana ahavitana an'io, afaka jerenao any amin'ny horonantsary ao amin'ny youtube),
  2. maka atody 2 arotsaka anaty vilany, rakofana rano ary avela hiketrika ambony afo, rehefa mangotraka dia miandry 8mn dia tsoahina mba hisy somary lakirema ilay tamenany,
  3. ny atody iray sy tapany atao haingony miaraka amin'ny "concombre" fa ny antsasany sisa tavela potipotehina amin'ny sotro rovitra ary afangaro amin'ny "yaourt" iray sy sira sy dipoavatra kely ary tongolo maitso izay tianao. 

Sakafo fidirana mafana: karaoty


Ny fomba nanaovana azy: 

Maka karaoty  4 salantsalany, tetehina boribory ary andrahoina amin'ny entona,  aza avela ho masaka ny karaoty fa andraso, jereo matetika ary raha vao hita fa manomboka miha-malemy dia  esory hiala ny afo haingana, tsara raha aroso mafana,

Ny lasaosy kosa dia tsotra, "mayonnaise" asiana dipoivatra na izay mahazatra anao, afaka asiana tongolo maitso foana, na kotomila koa vao maika manitra mamerovero.


karaoty 

Sakafo "résistance" 


Vary no ady eo, aroso miaraka amin'ny ravimbomanga rony (mifangaro patsa mena), ary ny laoka dia henakisoa sy tsaramaso

vary maina

ravimbomanga rony
tsaramaso sy henakisoa

                                      Tsindrin-tsakafo :

Ny fomba nanaovana azy:
  1.  manaingina ronono 1/2 litatra miaraka amin'ny lavanila (avy ao Madagasikara azafady an), zaraina roa amin'ny halavany ny lavanila ary kikisana amin'ny antsy ny voany hirotsaka anaty ronono, asiana siramamy 100gr ihany koa miaraka aminy ao, 
  2. rehefa sahabo hangotraka ny ronono dia arotsaka tsimoramora ny "tapioca" 40grs, atao malefaka ny afo ary aroiroina tsy ankijanona mandrapaha-masany,
  3. arotsaka anaty vera kely, avela hangatsiaka any anaty vata fampangatsiahina ary rehefa hisakafo dia aroso miaraka amin'ny "chocolat noir" vokarina avy ao Madagasikara  (ny ahy io Robert) foana ihany.
chocolat noir de Madagascar
sur nid de tapioca à la vanille de Madagascar


Dia izay no masaka aroso, mirary anareo hazoto hikarakara ny tenako,

Mankasitraka amin'ny fandalovanareo tsy mitsahatra eto amin'ity rohy ity,

Bà Betsaka

Ikala Fanja




vendredi 10 octobre 2014

FANOMEZANA ho FISAORANA - GIVEAWAY

Anio dia hafaliana be ny ahy no hozaraiko aminareo, satria tamin'ity erinandro dia nandeha nijerijery tsena aho ary nahita zavatra nanintona ny masoko be dia be tao amin'ilay fivarotana antsoiko hoe "Magazain'ny Nofy" fa tsy izany akory no tena anarany fa karana izy io raha tsy diso aho, karana mivarotra itony antsoina hoe kojakoja ho an'ny tokantrano itony ilay izy. Koa dia nividy aho ka nividy. (Hanao horonantsary momba izay novidiako tany aho tsy hoe ela).

Tampoka teo anefa ry zareo toa nisy bitsika injao reko tao an-tsofiko tao: raha mba hizaran'IkalaFanja amin'izao zava-misy izao moa ireo mpankafy mpamaky ny "blog" mety mba ho faly koa angamba izy any ambadimbadika any.

Koa dia tapaka ny hevitro, nividy aho ho atolotro anareo mpamaky ireo, ho fankasitrahana noho ny fiarahan-dalana.

Misaotra fa raha tsy misy anareo mpamaky erantany dia niteny irery foana teto ihany. Ho zary tsinontsinona ny diam-penina ("clavier" moa izany izy izao). 

Koa ireto ary ny loka hozaraiko aminareo.

 RAOZY: moule 1 sy sotro lehibe 1

VOASARY: sotro lehibe 2

VOALOBOKA: haingo ho an'ny mofomamy 1 sy "pâtes à sucre" 2

ZAKARANDA: sotro fanaovana "décoration" 4 sy famoasana tongolo gasy 1


Ity fanomezana ity moa, marihiko tsara, dia tsy misy mpanohana fa vola ampaosiko no nividianako azy koa aza tsiny indrindra raha tsy tonga lafatra sy voafetra ihany ny isany fa hiezaka aho hizarazara fanomezana matetika arak'izay fahafahana mba misy ampela-tanana.

Ary noho ny fanomezana voafetra an-kisa dia aleo mba asiana fitsipika kely indray mipika. 

Ny safidy hanondroana ilay mahazo loka dia atao fisarihana tsy ankijery ka tafiditra anatin'ireo ho voasarika anarana izay mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
  • Manoratra "commentaire" eto ambanin'ity lahatsoratra ity koa farito ny fanomezana tianao amin'izy efatra ireo: vintana 1
  • Manao "j'aime" ny Pejy Ikala Fanja: vintana 1+1
  • Raha mirotsaka manaradia ny "chaîne youtube: aina vicky": vintana 1+1+1
  • Raha manao fampielezana ito lahatsoratra ito ianareo any amin'ny facebook (alefaso eo amin'ny Pejy Ikala Fanja ny rohy nanaovanareo fizarana): vintana 1+1+1+1

Afaka mandray anjara ny olombelona rehetra maneran-tany ka mahay miteny Malagasy (satria izay tsy mahay teny Malagasy mety tsy ahalala izay mitranga ato akory).

Dia izay fa mirary anareo hazoto hilalao ary ny tenako.

Dia mamerina ny fisaorana anareo manaraka ahy hatramin'izao.

Ny fisarihana dia ho atao amin'ny 01 novambra 2014.


Mandrapihaona tsy ho ela

dimanche 5 octobre 2014

AlAhAdY Mikarakara TaReHy

Miarahaba anareo rehetra amin'izao alahady izao. Manao ahoana ny fahasalamana? Inona ny malaza any ambadimbadika any?

Ny aty aminay manomboka mangatsiaka ny maraina, manomboka maloka mampitaraina, koa andeha mba hampifalifaly saina, andeha hikarakara tarehy mba ho velombelon'aina.

Izaho ry zareo nohon'ny taona nihanandroso, nohon'ny tsiky izay tsy nety lany, indro ankehitriny nanjary nisy kentrona sahady. Eo ambany masoko eo, misy kentrona miseho, antsoin'ny vahiny hoe "rides d'expression" (mahita raha koa anie amin'ity fiainana ity). Koa noho izany rehetra izany, dia niova avokoa ny fahazarana rehetra hatramin'izay, niova tsy maintsy atao mifanaraka amin'ny toetry ny tarehy, ny fivoarany hafahafa be (mahakivy, mampihomehy).

Ireto avy ary ny ahy ny fitaovam-be manaraka ny arabe, entina hikarakarana ity atao hoe tarehy:


  • fanasana tarehy
  • gommage (tena mba marina raha haiko ny dikan'izany @ teny malagasy)
  • tantely
  • menaka tarehy
  • menaka ho an'ny manodidina ny maso

Ho asiako sary be dia be ary anio ahitanareo antsakany sy andavany ny marainako tato. Voalohany indrindra dia manadio tarehy amin'ny vovo amin'ny alalan'ity akora ity:


fanadiovana tarehy


Rehefa avy nosasana madio ny tarehy dia manao "gommage" kely mba hanala ny loto rehetra miraiki-tampisaka any ambadika any:



kosehina moramora somary malefadefaka amin'ny tanana ilay akora kely nalaina hanadiovana tarehy:


miala tsiny aho @ity sary fa tsy mora ny "selfie" ao @ douche

Rehefa madio tsara ny tarehy dia manao "masque" amin'izay, mandritra ny 25mn. Ny ahy tantely no ataoko fa sady natoraly no mora no mahavita ny asany tsara (manala kentrona sady mampamandina nefa tsy mampitera-menaka):


masque au miel

Rehefa tapitra ny 25mn dia sasana amin'ny rano mangatsiaka ny tarehy:



Rehefa madio ny tarehy dia fafana indray amin'ny vovo mba ho maina tsara:



Rehefa vita ny fanadiovana dia miroso amin'ny fanosorana menaka sisa:





Ary farany tena farany dia asiana menaka ihany koa ny manodidina ny maso:




Dia izay ny fikarakarako ny tarehiko, afaka manao izay tiana amin'izay na hanao manjamaso na hijanona amin'izao raha tsy hivoaka ny trano anio. Ary ny anareo mba zarao koa raha tianareo, inona avy ny koninkononina rehefa mba hanao "concooning"???

Mirary andro feno fitahiana ho antsika rehetra amin'izao Alahady izao.


Bà Betsaka 
IkalaFanja