dimanche 15 février 2015

URBAN DECAY & IkalaFanja

FITIAVANA, hadalana, FITIAVANA, fahajambana, FITIAVANA

Anatin'ny erinandro mampalaza ny fetin'ny fitiavana isika izao, izaho manokana aloha tsy mankalaza fa tsy hoe tsy mankasitraka akory fa tsy azoko tsara ilay tena antony, no sady tsy misy fahazotoana loatra aho handalina koa dia andro toy ny andro andavan'andro ho ahy ny fetin'ny 14 febroary, fa na izany na tsy izany dia mirary fety sambatra ho an'ireo mankalaza azy mandrakariva isika.

Ny ahy izao ny fitiavana nankalazaiko tato ho ato dia ny fitiavako manokana an'ity marika mpivarotra kojakoja momba ny manjamaso ity dia izay efa hainareo loatra fa i URBAN DECAY, vao io marika io dia efa babo aho, fa izany hoe, ilay vidiny no mampisalasala sy mampitsahatra ny tongotro tsy hiroso matetika ;)


Fa na izany na tsy izany, rehefa mba misy hetsika ara-barotra ataony aloha dia indro aho tonga mamaly ny antso, satria maimaim-poana ny fanandramana ary aty amin'ny toerana misy ahy ny manandrana tsy midika mihitsy fa tsy maintsy mividy avy eo. Koa dia nanandrakandrana tany ny tenako dia BABO indray e, toy ny mahazatra, tsy mahatanty ny mena miraviravy, dia indro izy:

correcteur Naked Skin

Réf: MED DARK - Neutral
 Izy io dia fanositra ho fanitsiana :), atao ambanin'ny maso dia "anti-cernes" na koa apetaka eny amin'ireny marika sy tasitasy amin'ny tarehy ireny, toy ny mony ihany koa e, manana correcteurs 2 hafa aho (NARS sy MAC), fa nividy an'io iray io aho satria ilay NARS na dia nahafapo tanteraka ahy aza dia tsy afaka nampiasaiko intsony nony tonga ny ririnina satria izaho dia nihahatsatra dia hatsatra. Nividy MAC aho satria tsy nisy nifanaraka tamin'ny volon-koditro teo amin'i NARS na dia izy aza no marika mitana ny lohalaharana voalohany amin'ny anti-cernes, tsy ratsy akory ilay MAC fa sarotra hosorana ihany satria izy dia manana "texture crème" izany hoe mila fotoana kely manao azy. Vao nahita ity voka-baovao teo amin'ny URBAN DECAY aho dia roboka tanteraka sy babo satria izy io dia faran'izay mora ahosotra no sady tena mi-"flouter" tanteraka ny hodi-maso. Tena babo tanteraka aho, ary izaho dia nanararaotra nividy azy tamin'ny tolotra "saint valentin" ka 15€ no nividianako azy raha toa ka 20€ ny vidiny andavanandro.


Koa satria moa aho nihahatsatra araka ny efa nolazaiko tetsy aloha dia voatery ihany koa niova "Fond de teint", ka dia nividy an'ito NAKED SKIN n°08 ito indray aho ho solon'ilay N°09 fampiasako, manana Fond de teint maromaro koa aho fa arakaraky ny ho aleha no ampiasako azy. Ito Urban Decay  (satria izy lafo) ito dia fampiasako rehefa handeha hiangona sy handeha hiaraka amin'ny ankizy, fa ny andavan'andro hiasa dia Maybelline no mangana ato amiko ato.



Ity ho asehoko anareo farany ity dia tsy misy antony manokana tena nahatonga ahy hividy azy, fa adalana tsotr'izao, satria tiako Urban Decay dia tsy aritro fa nividy ity "palette NAKED ON THE RUN" ity aho satria izy io dia "édition limitée", izaho aza efa tsy nahita azy intsony teny amin'ny magazay fa tamin'ny tsena "en ligne" sisa no misy azy. Izy ity anefa nony voaraiko tato an-trano dia hafaliana be ihany ny ahy satria ilay lokon'ilay "blush" dia somary volomboasary ka tsy mitovy velively amin'ilay efa ahy ato, ilay "bronzer" ihany koa somary matroka noho ilay efa ahy, ary ireo manjamaso 6 isa ao anatiny dia samy loko tsy ananako avokoa, etsy andanin'izany ilay "gloss" dia io no voalohan'ny Gloss ananako avy amin'i Urban Decay, ilay pensily sy ilay mascara aloha aho efa manana soa aman-tsara fa dia tsy maninona fa soa ny manan-droa lehiretsy. 




Dia izay, raha ny tiako izao amin'ito palette Naked on the Run ito, satria izy io noforoniny ho atao KIT TRAVEL, izany hoe natao hoentina mandeha dia tokony mba nasiany "pinceaux" na zavatra hanosorana azy, eritreritra ny ahy, faniriana ihany koa e, fa raha ny vidiny kosa aloha efa mba antonony tsara ilay 49€ nefa misy ny ilaina rehetra (ankoatr'ilay pinceaux).


Izay aloha ny anio, asa raha mba tianareo ito fizarana kely nataoko ito, aza misalasala maneho ny hevitrareo ihany koa eo ambany eo, dia mba zarao hoe inona ny marika "cosmetiques" tena mba mahalasa adaladala anareo e?

6 commentaires:

  1. Misaotra Betsaka akia fa dia mafahafinaritra ery mamaky ity lahatsoratra. Ny ahy io "correcteur" io indray izao no tiako handramana, sady ny filazandry azy dia tena vao maika maharoboka!! lol
    Benefit sy Too Faced no tena mahalasa adala ahy tato ho ato. Tiako hananana daholo :/
    Bisous ndry.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Raha manandrana an'io correcteur io aloha diz taraiky e! Tsy maintsy mividy.
      Benefit ky ohatran'ny mifidy hoditr'olona, za nanandrana an'ilay puff off (ilay fer à lisser les cernes hahaha) fa feno fitaka ny tany, ny eo ihany no eo, kivy be ilay mpivarotra.

      Za koa manaraka eo hirona kely @ Too Faceed, misy zavatra maromaro tiako be ao. Loooooza

      Supprimer
    2. Zany ve? nefa ilay They'Re Real, na mascara na ilay Push-up liner dia tena tsara. Te hanandrana zavatra be dia be aho ankoatra an'ireo.
      Ilay Too Faced aloha dia tena coup de coeur, tiako daholo vao mahita zavatra Too Faced angamba dia ohatrandry mahita Urban Decay!! lool

      Supprimer
    3. Ka tena arakaraky ny hoditra aky ngamba a! Ny ahy ilay porefessional koa zao anisany tsy mety amiko, fa misy blush tiako be zay ao nefa fa tsy mety voavidiko h@zao lol

      Supprimer
  2. Aleo kia mba tsy atao hoe adalàna a. hihihii ...ataovy hoe fitiavana hoe :p

    RépondreSupprimer