vendredi 5 février 2016

APONGABENDANITRA


Etsy anie, mba fantatrao ve fa ny APONGABENDANITRA dia voankazo tena mahasalama sy maro hasina tokoa? Tsaroako fa fony aho mbola kely dia feno an'izy ireto naniry teny amin'ny tanananay fa saingy tsy mba nisy nihinana, toa tsy nisy nioty akory ary fa natao haingon-tanana fotsiny ihany. Tsy laingalainga kosa moa fa mahasondriana sy mahavariana ny mijery azy ireto mbola eo am-potony, fa toa tsy mba nanintona mihitsy ny nanandrana azy tamin'izany andro izany, tena mahagaga. 




Tanora teny ihany aho, mba nisy fotoana nanandrana azy ito fa toa tsy nety babo, nandany fotoana loatra ny nihinana azy, aiza ve koa sady mandany andro no maka azy tsirairay no mbola tsy matsiro koa. Raha mba fantako tamin'izany andro izany ny vokatsoa nentiny mety ho haiko ihany ny nankafy azy saingy indrisy.


Tonga teto Frantsa aho dia nahamarika fa lafo dia lafo tokoa ny vidin'ity Apongabendanitra ity, koa mba nikarokaroka ihany: fa dia nahoana loatra?

Ireto ny  vokatsoa azo avy aminy ary zaraiko aminareo koa sao mba mahasoa:
  • feno vitamina C 
  • mampihena ny fahatapahan'ny lalandra madinika any amin'ny loha
  • mampihena ny talam-pazahoana ny homamiadan'ny nono sy ny "porstate"
  • mahatsara ny fahasalaman'ireo voan'ny diabeta (type II)
  • mampihemotra ny fahanteran'ny hoditry ny olombelona
  • manadio ny loto anatin'ny vatana
  • mampitsahatra ny fivalanana
  • raha sendra mikohaka dia tsara atao gararaka ny ranon'izy ity mba tsy hanitatra ho lasa aretin-tenda
  • ho an'ireo te hihena lanja dia tsara tokoa ny misotro ranon'apongabendanitra 1 vera isan'andro





Maro ireo soa azo avy amin'ny Apongabendanitra koa mamporisika antsika rehetra hihinana azy araka izay azo atao. Tsarovy anefa fa ny zavatra rehetra rehefa hanina be loatra dia mankarary indray koa lanjalanjao izay sahaza anao.

Ho an'ireo monina ivelan'i Madagasikara, ny anaran'ity voankazo ity dia GRENADE amin'ny teny frantsay ary POMEGRANATE kosa amin'ny teny angilisy.

2 commentaires:

  1. iza ki no nanampo hoe zavatsoa maro be toy izany no entin'ny ampongabendanitra. indra mandeha aho no mba nihinana dia tsy tia. dia tsy nanandrana intsony. sady toa tsy mba misy mivarotra anie izy itony e. fa dia eny amin'ny hazo eny no ahitana azy. misaotra nampahafantatra azy retsy a atao jus marina no mety aminy

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Fa lainga kosa aky raha milaza hoe mamy be hoatran'ny aty ilay apongabendanitra any amintsika. Ilay izy tsy ho amidy angamba dia tsy misy manisy zezika sns dia tsy dia tsara ilay voankazo. Nefa dia tena matsiro ky izy io aty, mila tapohina ny ahy ilay ranony marihitra iny fa mamy loatra amiko.
      Dia mahasoava aky a! Mahafinaritra anie mizara izay mahasoa e!

      Supprimer