vendredi 4 mars 2016

Tapin-tsatroka

Izaho dia anisan'ireo olona tia misakafo ary mankafy manokana ny sakafo maraina. Io sakafo maraina io no tena tsy zakako indrindra eto an-tany raha toa ka ho foanana amin'ny fiainako. 

Eny, tia misakafo aho ry zareo, ary afaka sokajiana ho isan'ireo tendan-kanina mihitsy aza angamba raha ampitahaina amin'ireo olona maro be izay tsy misotro afatsy rano ny maraina dia lasa miatrika ny adidy aman'andraikiny. 

Saingy ho ahy, zava-dehibe amiko io fotoana io. Etsy an-daniny anefa aho dia anisan'ireo sokajin'olona mitandro ny fahasalamany ihany koa. Ka ny politikako dia mitovy amin'ireo izay manaraka ny: misakafo maraina toy ny mpanankarena, misakafo atoandro toy ny mananon-tena ary misakafo alina toy ny mahantra.

Na lzany aza anefa, mitandrina aho mba tsy hihinan-kinam-poana, ka hitondra aretina ho an'ny vatako ka mety ho lasa  matavy loatra aho na ho mahia loatra. Tsy misy afatsy ny mitandrina, aleo manko misoroka hono toy izay mitsabo e!

Koa anio indray, nandramako ity tapin-tsatroka natao tamin'ny vovon-katsaka, hitako fa tena tsara sy ara-pahasalamana koa dia hafaliana ho ahy ny mizara azy aminareo. Eritreritra noforoniko izy ity koa aza omena tsiny aho raha tsy manintona anareo. 



Zavatra ilaina ahavitana tapin-tsatroka 5:
- atody 1
- vovon-katsaka 2 vera 
- ronono vita @ zava-maniry 1 vera (lait d'amande no nampiasaiko teto)
- lalovay 1 sotrokely

Haingony fa tsy voatery: 1- "yaourt"

Fomba fikarakarana azy:
Alaina ny atody ka kapohina mba handroatra tsara toy ireny hanao mofo rehetra ireny, arotsaka ny vovon-katsaka sy ny lalovay ary ny ronono dia tohizana kapohina indray mba tsy hisy hitambongana intsony. 

Rehefa vita izay, raha tsy manana lapoaly ilay "anti-adhésive" ianao dia hosory menaka kely fotsiny ny lapoalinao dia hafanao ambony fatana. Arotsaho anaty lapoaly ny paty sahabo ho antsaka sotrobe, avela kely ho masaka dia avadika indray. 

Rehefa vita avokoa dia ataovy ambony vilia, asio "yaourt" manelanelana azy mandrapahalanin'ny tapin-tsatroka. 

Dia mazotoa homana ary.

Fanamarihana: tsy mila siramamy mihitsy isika satria ny vovon-katsaka dia efa somary mamy, ary ny "yaourt" dia efa mosy siramamy ihany koa. Nefa moa raha tia mamy be ianao dia asio tantely kely ilay paty alohan'ny ahandro azy mba tsy hampatavy. 


1 commentaire:

  1. matsiro izy izany madama Fanja an. Mampite hihinana. Mila handramana maika dia maik :P

    RépondreSupprimer